Anisan’ny nizaka kiana maro teto amin’ny firenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina vadin’ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina.
Nanomboka tany amin’ny resaka akanjo lafo vidy nisy sarina mananasy izany, ary nitohy tamina lafin-javatra maro, toy ny resaka novoizina fa tena nijabaka tamin’ny politika sy ny raharaham-panjakana. Azo heverina ho lojika ny firesahana ny momba azy tamin’ny maha vadin’ny filoha azy. Ho an’ny any ampitan-dranomasina aza, dia misy an’ireny mpikaro-baovao sy mpitsikilo na “paparazzi” ireny mihitsy, ary voatsikera hatramin’ny fiainana manokana. Fa nankaiza marina aza ity “1ère dame” fahiny naha be resaka teto amin’ny firenena ity, fa tsy hita eo anilam-badiny mihitsy ? Nisy fotoana nalaza fa tany Frantsa i Voahangy Rajaonarimampianina, avy eo re fa tany Illinois-Chicago any Etazonia indray. Manana ny fiainany manokana izy ary miadam-pinaritra any amin’izay misy azy, raha ny fahitana azy amin’ny sary aloha. Fiainany manokana tokoa, kanefa somary nanaitra ny maro ihany ilay fandaozany faran’izay haingana an’i Madagasikara, vantany vao vita ny fifidianana fihodinana voalohany satria tsy tazana niaraka nifidy tamin’Atoa vadiny intsony izy ny 19 desambra 2018 nandritra ny latsabaton’ny fihodinana faharoa. Nisafidy ny hanao sesitany ny tenany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.