Araka ny tatitra azo teo anivona sampandraharaha iray misahana ny fanarenana ireo zaza nania ho ao anaty fiarahamonina indray dia kamboty avokoa ny 70%-n’ireo zatovo tsy ampy taona 115 voafonja ao Antanimora.
Ny 30%-n’izy ireo dia omena fiofanana arak’asa ary fiofanana ankapobeny kosa ny 70%, izany hoe mianatra avokoa izy ireo. Misy ihany koa ny fampivelarana ireo talenta ara-javakanton’ireto zatovo voafonja ireto. Ho fandraisan’anjaran’izy ireo amin’izao fandalovan’ny fihaonamben’ny frankofonia eto amintsika izao dia hisy ny hampiseho ny talentany etsy amin’ny Is’art galery Ampasanimalo anio amin’ny 1 ora sasany antoandro. Mety ho antony mahatonga ireto zatovo ireto hahavita heloka, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, ny tsy fahampiana, indrindra ny fahakambotiana. Mangataka tan-tsoroka ho azy ireo mba tsy hahatsiarovany tena ho voailiky ny fiarahamonina rehefa tafavoaka ny fonja, hoy ny fanazavana. Zatovolahy ny ankamaroan’ireo voafonja. Vitsivitsy ihany ireo zatovovavy.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.