Niroborobo ny fisamborana tato ho ato na ny tsy fandriampahalemana na ny kidnapping na ny raharaha maro samy hafa.
Nampakatra ny isan’ny mpiandry fitsarana avokoa ireny. Raha ny tatitra navoakan’ny Amnesty international, ny 60% amin’ireo voafonja no voatana vonjimaika miandry fitsarana, araka ny tatitra nivoaka nialoha ny faran’ny taona teo. Amin’ireo 20.000 mahery voatana any amin’ny toeram-piarenana 82 manerana an’i Madagasikara, ny 12.000 dia miandry fitsarana avokoa. Mihoatra ny 60% kosa izany ho an’ny fonjaben’i Tsiafahy sy Antanimora. Amin’ireo 900 mahery voatana ao Tsiafahy, 400 mahery miandry fotoam-pitsarana avokoa. Ny ao Antanimora mihoatra ny 1 600 amin’ireo telo arivo mahery. Misy ny tratra ambodiomby, saingy efa manefa betsaka mialoha ny fe-potoana sahaza azy izy ireny. Ireo tondro molotra sy voarohirohy amin’ny zavatra tsy natao kosa dia nitondran’io fikambanana iraisam-pirenena io sy ireo mpiaro ny zon’olombelona fanamarihana manokana amin’ny fiainana fadiranovana ao am-ponja, tahaka ny fibosesehana anaty trano tery iray, ny sakafo tsizarizary, ny loto sy valan’aretina isan-karazany mety mitranga. Efa im-betsaka no namelona lakolosy ireo fikambanana mpiaro ny zo maha olona ireo, indrindra ho fanokanana na fijerena manokana ireny voafonja miandry fitsarana ireny, izay tsy mifanaraka amin’ny fepetra iraisam-pirenena. Manampy trotraka izany ny fahasahiranana noho ny fitarazohana ela, misy am-bolana maro noho ny pitsopitson’ny zotram-pitsarana tsy voaraka ka mihemotra lava sy ny vakansin’ny fitsarana. Misy aza moa lasa « gadra mandra-pahafaty » noho izy tsy voatsara nefa maty any am-ponja. Tsy latsaky ny 150 io tranga io, araka ny tatitry ny amnisty international nandritra ny taon-dasa sy ny teo alohany. Firenena nanasonia ny fanajana ny zon’olombelona anefa ny fanjakana Malagasy ka mila mijery akaiky ny tranga toy izany.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.