Actualités

Vita ny nilan’ny HVM azy Nogadraina i Nivo Ratiarison


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Tratry ny tsipaka ambavafo i Nivo Ratiarison. Vita ny nilan’ny fitondrana azy. Nidoboka am-ponja eny Antanimora hatry ny omaly hariva ity Talen’ny kabinetran’ny minisitry ny filazam-baovao sy ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana ity.


Fanodinkodinam-bola sy fitaovana tao amin’ny Televiziona Malagasy, miharo kolikoly ary hosoka fisandohana andraikitra no nanenjehana azy. Voatazona miaraka amin’ny koa ny ramatoa iray lehibena sampandraharaha eo anivon’ny Ofisin’ny Radio sy Televizionim-panjakana eto Madagasikara (ORTM). Telo hafa nahazo fahafahana vonjimaika. Raha nisy olona nisedra ny fanenjehana sy niaritra ny fantsy ary koa nanao izay hahatafitana iny fehezan-dalàna mifehy ny serasera amin’ny endriny ankehitriny io dia anisany i Nivo Ratiarison. Raha nisy koa nanam-pahasahiana niseho vatana, nanao izay tsy nahitan’ny orinasan-tseraseran’Atoa Marc Ravalomananana MBS masoandro dia izy. Voadaka toy ny nahazo ny Mapar sy ireo nanao izay nijoroan’ity fitondrana Rajaonarimampianina ity izy ankehitriny. Dia ahoana ny amin’ny minisitra Andrianjato notompoiny ? Mitodika any aminy ny mason’ny mpanara-baovao. Olona iray donak’afo izy roalahy. Isany ahafantaran’ny maro azy ireo ny fandaharana “Ady Gasy” amin’ny haino amanjerim-panjakana sy re amin’ny radio tsy miankina vitsivitsy. Nahalala sa tsia io tranga tao amin’ny TVM io ve ny minisitra ? Izy rahateo tsy nanala tamin’ny toerany io talen’ny kabinetrany io. Mitombona ary neken’ny Fampanoavana anefa ny fanenjehana an’i Nivo Ratiarison matoa tonga amin’ny fitanana am-ponja vonjimaika ny didy savaranonandro noraisin’ny mpitsara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT