Nimasoan’ny mpitondra ny fandrindrana ny tanàn-dehibe nialoha sy nandritra ny frankofonia, ary nilamindamina ny renivohitra tao anatin’izay fotoana izay.
Tsy naharitra ela anefa fa miverina sahady ny gaboraraka. Ho an’ny omaly, ohatra, dia nitohana ny fifamoivoizana tamin’ny faritra maro eto an-drenivohitra. Miverina ny korontana sy ny lesoka maro ora vitsy taorian’ny fahavitan’ny frankonfonia, izay manaporofo fa tefy maika sy vahaolana vonjy tavanandro ihany no natao. Kamokamo hiasa ny mpitandro ny filaminana satria tapitra hatreo ilay tambin-karama isan’andro. Tsy nisy intsony, ohatra, ilay fisavana henjana isaky ny alina, fa dia nangina ny tanàna nanomboka ny alahady takariva, mandeha amin’ny ora izay itiavan’izy ireo azy ny fiara be , posy sy sarety. Hiverina amin’ny fiainana mahazatra sy ny gaboraraka hatramin’izay ny vahoaka raha ny fahitana ny zava-misy ankehitriny raha toa ka takona tao anatin’ny fotoana fohy ny lesoka maro. Ho toy izany foana ve no fomba fisaina amin’ny fitantanana ny firenena ? Tsy atao mahagaga raha sokajian’ny vahiny ho firenen’ny “moramora” i Madagasikara noho izay vonjy tavandro sy tefy maika fa tsy mba mitsinjo lavitra izay.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.