Rendrika omaly tokony ho tamin’ny 11ora antoandro tany amin’ny Distrika Antalaha ny sambo iray mitondra ny anarana « Nathalie » noho ny toetr’andro ratsy entin’ny rivodoza « Fantala » any amin’ny faritra SAVA.
Niala avy tany Antsiranana ity sambo ity ary hihazo an’i Sainte Marie ka nijanona kely tao Vohémar izay vao nanohy ny dia miaraka amin’ny entana 424 taonina sy tantsambo miisa 10 tao anatiny no nitranga ny loza.
Avotra avokoa ireo tantsambo rehefa niaraka nihetsika ny Fokonolona tany Ilafo, Kaominina Vinanivao Distrika Antalaha fa ny entana kosa tsy nisy hita hatramin’izao.
Amin’izao dia tena mbola hita fa mafy ny onjan-dranomasina ary tsy mbola nitsahatra ny orana efa hatry ny omaly mitohy hatramin’izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.