Tombanana ho olona 400 isan’andro, maneran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny aretina antsoina hoe :
« saturnisme », izay azo mivantana na an-kolaka avy amin’ny firaka (plomb). Anisan’ny ahitana azy io ny vilany vita amin’ny viraty (aluminium), amboarin’ny mpanao asa tanana malagasy. Tahaka izany koa ireo kojakoja hafa vita amin’ny viraty, toy ny sotro sy ny lapoaly, araka ny fitiliana nataon’ny DIECCTE, izay sampandraharaha iray misahana ny asa sy ny fanjifana ao amin’ny nosy La Réunion. Mihoatra avo 3 hatramin’ny 4.600 heny amin’ny ara-dalàna ny firaka avoakan’ny vilany gasy anankiray, araka io fanadihadiana io. Vokatr’izany dia voarara tsy azo ampidirina ao La Réunion intsony ny vilany sy kojakoja vita amin’ny viraty avy aty Madagasikara. Misy fiantraikany ara-pahasalamana maro mantsy ny fitelemana firaka. Mety miantraika any amin’ny atidoha izany, indrindra eo amin’ny ankizikely, ka miteraka fahataran’ny saina. Miteraka voka-dratsy hafa ihany koa eo amin’ny fiasan’ny voa ary koa any amin’ny fo sy ny lalandra. Nanomboka tamin’ny zoma 20 septambra teo no nandraisan’ny fitondrana renioney an’izao fanapahan-kevitra izao ary nesorina teny amin’ny tsena ihany koa ireo izay efa amidy any an-toerana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.