Tsy mahay sady tsy mahafehy ny andraikiny ny governemanta, indrindra ny minisitera misahana ny angovo eto Madagasikara, hoy ny profesora Ralison Roger.
Tsy mitombina io vidin-tsolika mbola mijanona ho 3.000 ariary mitovy ny tamin’ny taona 2008 io nefa efa 28 dolara ny barila iray. Mazava tsara ny raikipohy vidin-tsolika mira masonkarena miampy ny tombombarotra tsy mihoatra ny 30%. Fahadisoana goavana ihany koa ny nanafoanana ny «raffinerie». Azo atao tsara, ohatra, ny manadio solika mivaingana na «brut» hafaran’ireo kaompania vahiny ao Toamasina. Ilaina fohazina ihany koa ny Solitany Malagasy na Solima hifaninana amin’ireo orinasa vahiny mpaninjara solika satria tsy mipetraka mihitsy ilay seha-pifaninanana eto amintsika. Mambotry ny Malagasy fotsiny ireo mpandraharaha mpanafatra solika any ivelany milaza ho matiantoka ireo. Solika morabe avy any Rosia mantsy no hamidin’izy ireo eto amintsika ankehitriny, araka ny fanamarihan’ity mpampianatra toekarena amin’ny oniversite ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.