Taorian`ny tatitra nataon`ny filoha Rajoelina dia samy naneho ny heviny ireo mpanao politika. Anisan`ny tena nisongadina ny fampidinana ny vidin-jiro izay tena mampikaika ny vahoaka.
Io no tena tokony hakana lesona, hoy i Abel Zafimahatratra, depiote teo aloha, satria efa nampanantenain`ny mpitondra teo aloha ka mila vahana malaky. Raha tsy voavaha malaky izany dia ho sahirana ny Malagasy amin`ny vidim-piainana. Raha ny fanazavana ara-teknika nomen`ny filoha Rajoelina, hoy izy, dia diso mihoapampana ny vola alain`ireo kaompania mpaninjara solika amin`ny vahoaka Malagasy. Fotoana kosa izao hijerena sao mba diso lafo loatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara satria miankina amin`izay ny fiainam-pirenena iray manontolo. Miainga aminy ny vidin`ny sakafo sy entana ilaina amin`ny andavanandro (PPN), ny vidim-panafody… Afaka hifehy ireo orinasa ireo ve anefa ? Mino ny tenany fa tsy maintsy miroso amin`ny marimaritra iraisana na dia mihenjan-droa aza ny tady ka ahiana hisy fiantraikany any amin`ny vahoaka. Izay indrindra no mila tandremana toy ny anakandriamaso satria ny hoavin`ny firenena tsy azo atao kilalao, hoy ity depiote teo aloha ity. Na ireo kaompania ihany koa dia tokony handini-tena hoe sao mba tafahoatra ny fanjanahana ny Malagasy hatramin`izay. Notsipihany fa ny fanjakana nifandimby dia niaraka niray tsikombakomba, hany ka miha manankarena ny tompon’andraikitra vokatry ny halafosan`ny solika. Hisy ampahana ady mangatsiaka eo amin`ny fanjakana sy kaompania mpaninjara solika ka noho izany, aleo miditra amin`ny fifandaminana sao hisy fiantraikany any amin`ny vahoaka izay tena hampanahy, hoy hatrany ity kandidà depiote any Manakara ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.