Nidina hatrany amin’ny 73% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatramin’ny jolay 2014.
Raha nosandaina 115 dolara mantsy ny barila 159 litatra tamin’ny datin’ny 21 jolay tamin’io taona io dia nilatsaka hatrany amin’ny 30,47 dolara ny vidiny ny 15 janoary 2016 teo. Elanelana 80 ariary monja kosa no fidinana hita teo anelanelan’ny vanim-potoana 18 volana ho antsika eto Madagasikara. 3.630 ariary ny litatry ny Super Plomb tamin’izany ary niiba ho 3.550 ariary ankehitriny. Eo indrindra ny mahavalalanina ny mpanjifa amin’ny ankapobeny ary ny tontolon’ny mpitatitra manokana. Miandrandra vidin-tsolika tena marina nampanantenain’ny fanjakana ary efa tratran’ny firenena Malagasy nanomboka tamin’ny volana oktobra 2015 rahateo ny sarambabem-bahoaka saingy tsy tontosa izany hatramin’izao. Tsy tokony hihoatra ny 1.600 ariary ny solika iray litatra amin’izao vidiny manerantany latsaka ambany izao, araka ny kajikajin’ny fikambanan’ireo mpitatitra isan-tsokajiny. Tsy manaiky sy mitsipaka tanteraka ny fampidinana ny vidin-tsolika tena marina sy ny fampiharana ny «vérité des prix» kosa ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny solika eto Madagasikara. Kely mantsy ny fanjifan-tsolika manerana ny nosy nefa midangana ny saran’ny fitaterana azy ireo, hoy ireto farany ka izay no mahatonga io vidiny ankehitriny io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.