Ankoatra ny kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro, ny jiro, ny rano dia anisan’ny mampitaraina ny maro ihany koa ankehitriny ny fiakatry ny vidim-panafody. Karazany vitsy monja no fantatra fa tsy dia mihetsika firy ny vidiny.
Mahatratra 600 Ar ny fonosana iray raha kely indrindra, tranga izay nambaran’ny toeram-pivarotam-panafody iray eto an-drenivohitra fa mety hiseho in-droa ao anatin’ny iray volana. Niaiky Rakotoson Faly, tompon’andraikitra farmasianina eo anivon’ny OPHAM ( Office pharmaceutique de Madagascar) fa miankina amin’ny fahazoan’ny Ariary aina izany. Noraisiny ohatra ny fifanomezan-tanan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny mpamatsy vola nentina nanamaivana ny vidim-panafody hahafahana miady amin’ny aretina tazomoka izay nandripaka olona maro tokoa teo aloha teo tany amin’ny faritra. 500 Ar anefa ankehitriny dia efa mahazo fanafody hahafahana miady amin’ny aretina tazomoka. Midika izany fa tsy mitazam-potsiny ny mpisehatra rehetra fa miezaka manampy ny mpiara-belona. Ho an’ny OPHAM manokana dia hafarana avy any ivelany avokoa ny 99 %-n’ireo fanafody haparitany eto amintsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.