Kepoka mihitsy izahay mianakavy ry Jean manoloana an’ity fanondrotana sara fandoa amin’ny fanadinam-panjakana ity an.
Raisinay ho fanerena ankolaka hampiato amin’ny fianarana ny zanakay izao ataonareo izao ry Jean a. Sa ve ny hahabado anay mianakavy mihitsy no tetikareo, mba hanjakazakanareo eto amin’ny tanàna e. Nasondrotrareo ho roa arivo Ariary indray ny sara aloan`ny mpianatra hanala CEPE, dimy arivo Ariary ho an`ireo hanala BEPC ary dimy arivo sy iray alina ho an`ireo hanala BACC. Ny kalitaon`ny fampianarana anefa dia mihena sy miharatsy isan-taona. Mifanohitra tanteraka ny zava-dazaina sy tanterahin`ny minisitra ary koa ny filoha ny zava-misy. Tsy misy mihitsy izay hoe fitsinjovana ny vahoaka sahirana e. Akarina, hono, ny lanja na ny lentan`ny diplaoma eto Madagasikara. Ka rehefa akarina ve ireo sara fandoa amin`ny fanadinana ry Jean dia midika fa hisondrotra koa ny fari-pahaizan`ny mpianatra sy ny lanjan`ny diplaoma a ? Sa ny mahantra mihitsy no efa ailika sy atao izay tsy hianarany intsony e ?
Marco
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.