Actualités

Vidim-bary eny an-tsena Mitombo isan-kerinandro


  • Alakamisy 28 Aprily 2016

Tsy mitsaha-mitombo hatreto ny vidim-bary eny an-tsena. Manodidina ny 1.500 ariary ohatra ankehitriny ny kilao amin’ny vary gasy raha 1.560

 

 ariary ny vidin’ny vary makalioka. 1.300 ariary sy 1.400 ariary kosa izany tamin’ny herinandro lasa. Tsy mahagaga io fidangan’ny fototsakafon’ny Malagasy io rehefa manatona ny vanim-potoanan’ny fiakaram-bokatra, hoy ireo mpamongady. Mbola mandany ireo voka-bary teo aloha mantsy ireo mpaninjara eo am-piandrasana ny fahatongavan’ny fitobaky ny vary afaka herinandro vitsivitsy. Kely rahateo ireo vary hita eny an-tsena amin’izao fotoana izao mihoatra amin’ireo vokatra ho avy amin’ity taom-piotazana 2015-2016 ity. Tena tsara moa ny voka-bary tamin’ity indray mitoraka ity raha ny fampitam-baovao avy amin’ny tantsaha mpamokatra ary efa nohamafisin’ny teo anivon’ny minisitera mpiahy. Tokony hisy akony lehibe amin’ny fihenan’ny vidim-bary eny amin’ireo toeram-pivarotana io fitombon’ny vokatra vinavinaina hatrany amin’ny 4 tapitrisa taonina io izay miankina betsaka amin’ny fanaraha-maso ifotony avy amin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, araka ny fanazavana avy amin’ny vovonana misahana ity sehatry ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT