Actualités

VFL Soamiavaka Filadelfia Hifamotoana amin’ny vahoaka eny Analakely


  • Alatsinainy 24 Novambra 2014

Mankalaza ny faha-15 taona nijoroany ny Vondrona Fototra Laika Soamiavaka Filadelfia. Hanamarihan’ny fikambanana io tsingerintaona io ny famoahana rakitsary faharoa ahitana hira 12

Eo ihany koa ny kaonseritra lehibe «Gospel Standard» tsy misy vidim-pidirana hatolotr’izy ireo ny vahoakan’Antananarivo manoloana ny Lapan’ny tanàna Analakely ny zoma 28 novambra 2014 manomboka amin’ny 6 ora hariva. Haharitra ora roa sy sasany ny hetsika mitondra ny lohateny «zoma mahafinaritry ny tany aman-danitra». Niova be ankehitriny ny toetsain’ny mpiara-belona noho ny tsy filaminana ara-politika eto Madagasikara ka ilaina ny fanarenana izany amin’ny alalan’ny fibebahana izay ankasitrahan’ilay Mpahary izao tontolo izao, hoy ny mpandrindra Rafalimanana Julien. Rehefa mibebaka mantsy ny eto an-tany dia faly ny any an-danitra ka fotoana io hampitaina  ny tenin’Andriamanitra hitaizana ny mponina eto Iarivo amin’ny alalan’ny vesatry ny teny miverimberina. Hanotrona ny VFL Soamiavaka Filadelfia amin’io takariva io ny VFL Ambohitrarahaba sy ny Laos Gospel Vontovorona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT