Mpamokatra voanjo sy trondro ny distrikan’i Belo-Tsiribihina. Manodidina ny 200 hatramin’ny 500 taonina isan-taona, ohatra, ny voanjo vokatra.
Mibosesika be rahateo ireo mpanangom-bokatra sinoa mividy 1.200 ariary ny kilao izay tokony ho 2.000 ariary. 20 taonina isan’andro kosa ny tilapia mivoaka ao amin’ny farihin’i Kiomanomby kaomininaTsimafàna. Ahiana anefa ny fijojon’ny kalitaon’ny voanjo sy ny faharinganan’ny trondro noho ny tsy fisian’ny tantsoroka ara-pitantanana ho an’ireo tantsaha mpamokatra avy amin’ny fanjakana, hoy ny mpandraharaha Borida Jocelyn. Manempotra ny fihariana ihany koa ireo karazan-ketra sy haba samihafa takian’ireo rafitra solontenam-panjakana foibe toy ny fokontany, kaominina, faritra ary ny mpitandro filaminana miampy ny saran’ny fitaterana lafo noho ny haratsin’ny lalana. Vinavinaina hatrany amin’ny 5 alina ariary tsy latsaka isanisany moa ny vola aloa amin’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana sy mpisahana ny fahalemana ireo. Trangan-javatra hampihemotra ny risipon’ireo mpandraharaha no hamono antoka ireo tantsaha mpamokatra raha tsy hita ny vahaolana hanalefahana ireo vesatra ara-bola ireo, hoy ity solombavambahoaka teo aloha ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.