Tafahoatra loatra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara ary ny vahiny no tena mahazo tombontsoa amin’izany, hoy ny fanambaran’ny fiombonamben’ireo Eveka eto Madagasikara izay nivory tamin’ity volana novambra ity
Mandroso hevitra ny amin’ny tokony hanitsiana ny lalàna sasany momba ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny hijerena manokana ny fikarakarana ireo malagasy monina amin’ny faritra misy ireo harena trandrahana ny fiombonamben’ny Eveka. Sehatra iray tena ilana fanaraha-maso hentitra tokoa ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany satria vola be no azo avy amin’io, ary efa voaresaka foana tato anatin’ny 5 taona izao fa anisan’ny antony nahatonga izao krizy izao ny harena ankibon’ny tany. Maro ireo milendalenda te hahazo ny harem-be misy eto Madagasikara ka nampihatra indray ilay politikan’ny zarazarao anjakana. Indrisy moa fa nisy ihany koa ny Malagasy tsy mba nijery lavitra, tsy namakafaka tsara ny zava-misy marina fa dia niroboka tao anatin’io fandrika be vata io. Tsy misy resaka hatramin’izao ny momba ny fitrandrahana safira tany Ididy Ambatondrazaka, ohatra. Ahoana ny tohin’ireny ? Mba nanara-maso ve ny fanjakana ka naharaka hoe safira firy kilao sa firy taonina no efa tafavoaka tao Ididy ? Santionany fotsiny ihany iny fa maro be ny resaka momba ity hoe fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity hatramin’ny raharaha dahalo tany atsimo aza dia nandrenesana siosion-dresaka fa misy ifandraisany amina resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Mety variana amin’ny resaka politika mantsy ny olona kanefa ny harena efa tsetsefin’ny hafa tsimoramora.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.