Actualités

Veronique Vouland Aneini « Mitombo ny mpamatsy vola raha mangarahara ny fitantanana »


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Amin`ny volana aogositra ho avy izao no handao eto Madagasikara i Veronique Vouland-Aneini, masoivoho frantsay fa voatendry any amin`ny firenenan-kafa.

 

 

 

 Somary nanahirankirana ny fiarahana tamin` ity ambasadaoro ity indrindra tamin`ny fanambarany ampahibemaso fa “an`i Frantsa ny nosy Iles Eparses”. Miroso ny fananganana ny vaomiera iraisana amin`ny fitantanana ireo nosy manodidina ireo. Mampitandrina ny fomba fiasan`ireo mpamatsy vola vahiny izay tsy manara-dalàna. Manana fahaleovantena tanteraka ny fitsarana amin`ny raharaha Houcine Arfa sy Mamy Ravatomanga. Ireo no anisan`ny votoatin`ny dinika tamin`ny mpanao gazety omaly tetsy Ambatomena.

Raharaha mafana

Mahakasika ny nosy manodidina na “Iles Eparses” dia nambaran’i Veronique Vouland fa olana nisy teo amin`ny firenena roa tonta no nisy hatramin`izay. Nahitsy ny valin-teniny fa fahasahiana lehibe no nentin`ny filoha Rajoelina niresaka tamin`ny filoha frantsay Emmanuel Macron, momba ireo nosikely ireo. Efa misy dingana izao eo amin`ny fananganana ny vaomiera iraisana amin`ny fitantanana ary ny filoham-pirenena roalahy no tompon`ny teny farany. Mahakasika ireo raharaha tena nafana toa an`i Houcine Arfa, ilay gadra teratany frantsay tafatsoaka ny fonjan`i Tsiafahy sy Mamy Ravatomanga, izay voarohirohy tamina raharaha famotsiam-bola dia nilaza ity masoivoho ity fa na ny fitsarana frantsay sy Malagasy dia manana fahaleovantena amin`ny fitsarana ny raharaha Houcine Arfa sy Mamy Ravatomanga ka tsy tokony hanaovana resabe.

Mila mitandrina

Raha nanontaniana ny fahazotoan`ireo mpandraharaha frantsay hamatsy vola eto Madagasikara manoloana ireo mpandraharaha tatsinanana indrindra ny sinoa, i Veronique Vouland dia nilaza fa mahasarika azy ireo i Madagasikara toy ny CAC 40 (vondron`ireo orinasa 40 matanjaka indrindra ao frantsa). Ny olana misy anefa dia mila mametraka antoka eo amin`ny fitantanana i Madagasikara mba hahamarin-toerana ny toekarena Malagasy. Raha mangarahara ny fitantanana dia hitombo hatrany ny mpamatsy vola. Mila mitandrina kosa anefa fa misy ireo mpamatsy vola tsy manaraka ny fitsipi-dalao ka ireny no hamotika ny toekerana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT