Nahazo fiofanana maimaimpoana ireo vehivavy sahirana monina ao Anjanahary II A sy ny manodidina
. Nanomboka ny alakamisy 3 martsa lasa teo izany naharitra enina andro, tetikasa sosialy nomena ny anarana"tsy fanaka malemy aho " nokarakaraina andiana mpianatra etsy amin'ny INSCAE 67Ha 2ème année groupe raise up for women. Fiofanana marolafy no nandrafitra ny tetikasa, toy ny fanamboarana Pizza, bûche, rononomandry, fraomazy, kaonfitiora ... Tanjona ny hahafahan’ireo mpiofana manao asa mifandraika amin’izany hahafahana manatevina ny fidiram-bolany, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy. Mbola hitohy anio ny hetsika. Hisy ny fizaràna loka ho an'izay vehivavy mendrika indrindra tamin’ny fampiofanana, hizarana kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro kosa ny rehetra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.