Vehivavy naondrana any Sina
Zaza no takalon’ny fodian’izy ireo.
. Raha ny fantatra mantsy dia tsy afaka mody intsony ireo izay lasa any. Voalaza fa nesorina tamin’izy ireny avokoa ny taratasy momba azy ary am-pitaka ihany koa no nangalana azy. Tsiahivina hatrany fa asa no nampanantenaina raha niala teto an-tanindrazana izy ireo, saingy rehefa tonga tany dia zavatra hafa no niseho satria terena hanambady sinoa efa antitra izy ireo. Ankehitriny, raha tian’izy ireo ny hody dia tsy maintsy manome taranaka ireo sinoa ireo vehivavy raha ny voalaza. Araka izany dia very fanahy mbola velona izy ireo satria sady terena hitondra vohoka tsy niriana no nandevozina tamin’ny fomba hafa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.