Actualités

Vehivavy Mpitarika - Manjakandriana Nisafidy hamboly hazo tao Alarobia


  • Zoma 11 Martsa 2016

Nisafidy ny tontolo iainana ny Fikambanan’ny Vehivavy Mpitarika Manjakandriana (FiVeMpiManja) nanamarihana ny 8 martsa tao amin’ny Kaominina Alarobia.

 

 Zanakazo fihinamboa sy kesika 510 fototra no nozaraina tamin’ny kaominina telo dia Sambaina, Carion ary Ambanitsena iasan’ny FiVeMpiManja, izay ahitana mpikambana an’arivony amin’izao. Ny antony, hoy Rasoamiadana Jacqueline dia hanomezana sakafo mba hitondra hery sy tanjaka ho an’ny reny sy ny zaza ary koa ho fihariana ho an’ny vehivavy.

Ny solombavambahoaka voafidy tao Manjakandriana Rahantamalala Lydia no reny mpiahy ny FiVeMpiManja, izay miara-miasa amin’ny fikambanana AFO (Association des Femmes Ouvrières) sy ny ONN. Nisy koa tamin’io hetsika tao Alarobia io ny fanentanana ara-pahasalamana ny mponina, toy ny fitondrana ny zaza hilanja, sy fanandramana maimaimpoana sakafo miovaova sy maro loko narahina fanomezana fitaovana ireo vehivavy mpanentana eny anivon’ny Fokontany ao anatin’ny Kaominina Alarobia.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT