Vehivavy iray antsoina iray 39 taona mpisoloky malaza, milaza ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena eny Anosy no voasambotry ny Polisin’ny
« Sureté Urbaine de Tananarive » na ny SUT teny Ambodifilao ny Alatsinainy 04 janoary lasa teo . Raha tsiahivina ny tantara dia ny volana novambra 2015 lasa teo dia nisy olona miisa fito niaraka nitory ity ramatoa ity tao amin’ny Polisin’ny SUT. Nilaza ireo olona nametraka fitarainana ireo fa Ramatoa iray miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy no nilaza tamin’izy ireo fa mahatafiditra mpiasa hiasa ao amin’ity minisitera ity. Nangalany vola mitentina 1 400 000 ariary isan’olona izy ireo ary nasainy nanomana antotan-taratasy maromaro toy ny dika mitovin’ny karampanondrom-pirenena, ny diplaoma maitrise sy fanamarinam-ponenana… Nandeha ny fikarohana ilay ramatoa taorian’ny fitoriana saingy tsy hita izy. Ny alatsinainy hariva teo izy no hitan’ny iray amin’ireo mpitory teny Ambodifilao izy. Niantso ny polisy avy hatrany ilay olona nahita azy ka dia noraisim-potsiny ilay ramatoa . Tamin’ny fanadihadiana natao azy moa no nahafantarana fa efa maro ny olona voasolokiny saingy izy fito mianadahy ireto no sahy nitory azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ilay Ramatoa ary efa naiditra any am-ponja vonjy maika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.