Miezaka ny manampy hatrany ireo olona sahirana manodidina azy ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha ny fonja sy ireo vadin’ny mpandraharaha ny fonja eto amintsika na ny AFAP.
Taorian’ny nanampian’izy ireo zaza tsy ampy taona mamita ny saziny eny amin’ny fonjaben’Antanimora amin’ny fambolena hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo dia manampy ireo vehivavy sahirana ihany koa ry zareo. Toerana maro no noteteziny tato ho ato nanolorana milina fanjairana ho an’ireo renim-pianakaviana hahafahana manatsara ny fidiram-bola ho an’ny isan-tokantrano. Nisy koa ny fizarana fitafiana ho an’ireo tena tsy manana. Nanatanteraka fihaonambe tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina izy ireo, omaly alakamisy 23 mey. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny fikambanana sy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja izany. Tanjona eto ny hanangana ny birao nasionaly hahafahan’izy ireo manambatra ny heriny, hoy ny filohan’ny fikambanana Rtoa Pilazare. Miisa 3.000 ankehitriny ireo mpikambana manerana ny Nosy.
Pati sy Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.