Actualités

Vehivavy maty eo am-piterahana Tafakatra 10 isan’andro eto Madagasikara


  • Alatsinainy 28 Novambra 2016

Mbola olana eto Madagasikara ny fiterahana amin’ny reninjaza ho an’ny vehivavy noho ny halaviran’ny toerana misy ny tobim-pitsaboana na noho ny tsy fisiana mihitsy.

Vokany, tafakatra 10 isan’andro ireo vehivavy mamoy ny ainy eo am-piterahana eto Madagasikara raha 500 isan’andro aty amin’ny tany mahantra. Mitotaly ho 2,7 tapitrisa isan-taona izany maneran-tany ka ny 180.000 amin’ireo dia eto Madagasikara avokoa, raha ny tarehimarika navoakan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana ( OMS). Mba hahafahana mampihena io salan’isa io, indrindra fa aty amin’ireo tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny teny Frantsay, dia nanatanteraka adihevitra nifandraika tamin’izany teny Ankadimbahoaka ny sabotsy lasa teo ireo vadina filoham-panjakana, notarihin’ny vadin’ny filoha Malagasy Voahangy Rajaonarimampianina. Fantatra fa anisan’ny vaindohan-draharaha, indrindra ho antsika eto Madagasikara ny fananganana ireo tobim-pitsaboana CARMA izay efa nanavotra aim-behivavy an’arivony. Narahina fizarana loka ho an’ireo tobim-pitsaboana mendrika idrindra ny hetsika, fifaninanana nampanaovin’ny vadin’ny filoham-pirenena hatrany. Norombahin’ny tobim-pitsaboana Ambalavato Antsirabe I ny loka voalohany noho ny fahaizany mandray marary sy mpiteraka, indrindra fa ny fanitarana hatrany ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza sy ny fandrindram-piterahana ho an’ny vehivavy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT