Nolazaina tao anaty lahatsoratra an-gazety maromaro ny faran’ny herinandro teo fa namoaka vava ny notoriana tamin’ity raharaha ity fa tsy matahotra ny fitsarana Malagasy satria mahafantatra olona matanjaka ao.
Ny zava-nisy anefa, araka ny loharanom-baovao hafa dia ny mifanohitra amin’izay. Nisy nitonona ho jeneraly ny havan’ny ilay ramatoa maty izay niaraka nanao ny fisamborana tamin’ny polisy sady nanao teny fandrahonana henon’ny olona hoe “aina solon’ny aina”. Ankoatra izay, nandritra ny famotorana teny amin’ny polisy dia tsapa fa tsy nohajaina ny zon’ny voarohirohy hiaro tena satria nolavina ny fihainoana ireo vavolombelona sasany nentiny, olona nahita azy ny andro nahafatesan’ilay ramatoa. Raha mitanila ny famotorana dia ho voa mafy ny voapanga. Ny alakamisy maraina tamin’ny folo ora dia nolazaina tamin’ny mpisolovava fa tapitra ny fanadihadiana fa tsy hihaino vavolombelona no atao mandra-pahariva ny andro, kanefa tsy nentina teny amin’ny fampanoavana ny raharaha fa mbola notazonina teny amin’ny polisy ka notohizana tsy nisy antony ny “garde à vue” nanidiana azy natory tany. Ny vavolombelona nohainoana dia efa nolazaina sahady ho tonga eny amin’ny fitsarana ny sabotsy fa amin’izay vao handeha ny raharaha. Maro ny zavatra tsy milamina, toa misy hatramin'ny resaka fizaram-bola ka aoka handinika tsara ny mpitsara, hoy ny fianakavian'ilay voarohirohy fa tsy sanatria hihinana am-bolony. Mbola mitohy ny famotorana lalina ka aoka havela hanao ny asany ankalalahana ny Fitsarana mba hisehoan’ny tena marina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.