Lehihahy telo miampy vehivavy 11 no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « enquête spécialisée »
etsy Anosy ny 24 martsa lasa teo noho ny resaka fandefasana vehivavy hiasa any Koweit. Ny marainan’io andro io dia nisy vehivavy efatra tonga teny Anosy mba hanao pasipaoro. Rehefa izany dia nampiahiahy ny polisy ny taratasy momba azy ireo ka nanomboka teo ny fanadihadiana. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa ny telo no tena hanao « Passeport » fa ny iray kosa mpanaraka fotsiny. Nilaza izy ireo fa nampanantenaina hiasa any Koweit , ka nakana vola 1 tapitrisa Ariary avy. Rehefa nohadihadiana ireto farany dia nanoro ny trano fanafenana azy ireo alohan’ny hanondranana azy any Koweit ka vehivavy miisa fito no mbola tratehaky ny Polisy tao amin’ilay trano.Tratra teny 67 ha ny lehilahy iray 39 taona izay nanafatra ireto vehivavy ireto tany Andapa ary mampiantrano azy ireo eto Antananarivo. Voasambotra tamin’io ihany koa ny lehilahy 37 taona, izay mbola nahatrarana vola mitentina 2.750.000 Ariary sy vola vahiny 600 dolara. Izy no manangona ireo vola any amin’ireo vehivavy haondrana sy ny vola alefan’ireo olona any Koweit andefasana ireo vehivavy ireo. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa izy no manatitra ireo vehivavy eny Ivato rehefa ho any Koweit ary mbola misy ramatoa iray no tena Mpaniraka azy. Voasambotra teny Ampefiloha ihany koa ny lehilahy iray 32 taona izay zanak’ilay tena ati-doha mikotrika ity fanondranana vehivavy makany Koweit ity. Efa nalefa any am-ponja vonjimaika avokoa izy 14 mianadahy ireo. Mbola tadiavin’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay lehilahy tena tompon’antoka feno amin’ity raharaha ity
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.