Vaky ny lohany, feno ratra ny vatany, tapaka ny tanany roa ary tsy hita teo am-bodi-fasana nahitana ny vata mangatsiakany.
Izany no nihatra tamin’ity renim-pianakaviana vao 23 taona monja teny Andraisoro, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i “Fafara” ary naolana ihany koa.Tsikaritra ho nisy ra ny vato fasana ka heverina fa mety teo ihany no namonoana azy; mponina eny Andraisoro ihany moa ity renim-pianakaviana ity.Raha ny fitantaran’ireo olona akaiky azy dia tsy tonga nody izy rehefa avy niasa ny talatahariva ka niezaka nikaroka izay nisy azy ireo olona akaiky azy.Indrisy anefa fa efa ny vata mangatsiakany voaviravira no tazana nitsirara teo am-body fasana.Matahotra sy mihorohoro ny mponina eny Andraisoro, tsy misy jiro ary maizina ny tanàna hoy izy ireo, kanefa betsaka ny elakelan-trano sy kizo.Manampy trotraka ireo dia misy ireo mpifoka rongony tazana rehefa hariva ny andro ary efa matetika no misy ny fanolanana.Misy ihany moa ny andrimasom-pokonolona eny an-toerana siaingy niato kely tato ho ato noho ny fanamboarana ny taratasy eny amin’ny distrika .Raha ny fandinihana azy dia efa tena tafahoatra ity fampijaliana sy famonoan’olona teny Andraisoro ary mazava be izao fa efa tafiditra eto Madagasikara ny kolotsaina mamotika sy mamono tahaka ny fanaon’ireo mpampiorohoro mahery fihetsika any ivelany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.