Tsy ny mpanao politika na mpandraharaha na fikambanana sy vondron’olona ihany no tapa-kevitra fa hitondra ny anjara birikiny hanohana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana amin’ny fihodinana faharoa fa eo ihany koa ireo mpanakanto.
Fantatra izao fa efa an-dalam-piketrehana ny hira faneva manaraka hoentina mandritra ny fihodinana faharoa ireo mpanakanto Malagasy toa an-dry Bodo, Stefanie, Shyn, Tence Mena, Black Nadia sy maro hafa mbola ho avy ihany koa. Raharaham-pirenena sy hoavin’ny taranaka faramandimby no resaka eto koa samy mamoaka ny tsara indrindra avy any aminy tsirairay avy ireto artista izay manana ny maha izy azy eto Madagasikara ireto mba hitondra hafatra ho an’ny Malagasy tsirairay. Hafa rahateo ny fomba fanehoan’ny mpanakanto ny zava-misy sy ny zavatra mety hitranga atsy ho atsy. Efa milendalenda sady tsindrian-daona ny rehetra hiandry ny vokatra hivoaka tsy ho ela.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.