Zava-dehibe ny hira ho an’ny olona manao kanto sy mamorona azy ary ahafahana mampita hafatra haingana be.
Misy aza moa milaza mihitsy fa ny hira iray dia mitovy amin’ny tonom-bavaka 2 atao. Nivoaka ny vazo fanevan’ny Filankevitry ny Fampihavanana ny Firenena (CFM) izay manentana ny olon-drehetra tsy hanapotika ny firenena fa hizotra amin’ny fihavanana mba hanana lova tsara ireo taranaka. Nifandrimbona tamin’ny famoronana ny tonony sy feon-kira i Jose amin’ny tarika Hasina, Jess FLAVI one eny hatramin’ny filoha lefitry ny CFM, Gérard Ramamimampionona. Ny mpihira kosa dia ireo ankizy sahirana izay mangataka sy mitaraina eny amoron-dalana eny ka efa vita mihitsy ny raki-peo (audio) ary ho avy tsy ho ela ihany koa ny rakitsary. Endri-pihavanana sy antso ho amin’ny fifankatiavana no vontoatin’ity hira ity ary hita mandrafitra miaraka mihira amin’ireo ankizy mahantra ireo ihany koa i Christian KELY. Fampanantenana ho an’ireo olona mahantra sy antonony ary ny Malagasy rehetra mihitsy eto amin’ny firenena ny vontoatin’ity hira vaovao be ity. Tanjona amin’izany ny hananganana firenena vaovao sy vanona aorian’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana fa tsy sanatria ho famotehana indray ny fanatanterahana izany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.