Actualités

Vavatenina May ny fiaran’ny lehiben’ny Distrika


  • Talata 16 Febroary 2016

Ankoson’aratra sa asan-jiolahy ? Nirehitra ny fiara fampiasan’ny lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina.

 

 Ny alin’ny sabotsy lasa teo no nitrangan’ny loza. Fiara 4x4, double cabine marika Mazda, ao anaty garazy no nirehitra. Nanokatra fanadihadiana ny polisy ao an-toerana hamantarana ny niavian’ny loza. Misy ifandraisany amin’ny fiakaran-dRtoa lehiben’ny Distrika tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana io andro io. Mikasika ny delestazy ekônômika mianjady amin’ny tanàna noho ny fitsitsiana solika ve ity fahamaizan’ny fiara fampiasany ity sa fifanandrifian-javatra fotsiny ihany ? Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia hentitra ny tenin’ity solontenam-panjakana ity tamin’io, miantefa amin’ireo mikasa hanao fihetsiketsehana noho io resaka delestazy io. Ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy anefa no hamantarana ny tohiny. Namory ireo tompon’andraikitry ny filaminana Rtoa lehiben’ny Distrika omaly, ary tapaka taorian’izany fa dia raràna ny fivezivezena amin’ny alina, eo anelanelan’ny amin’ny 9ora ka hatramin’ny 6 ora maraina, hitandroana ny filaminana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT