Anio izany, raha tsy misy ny fiovana no ho sokafana amin’ny fomba ofisialy ny fizarana voalohany ny vatsin’ankohonana ho an’ny faritra Androy sy Anosy.
Izy ity moa dia tetikasa iarahan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sy ny banky iraisam-pirenena. Ao Ambovombe, faritra Anosy, raha ny fandaharam-potoana, no hanombohana ny azy ity anio. Mponina miisa 320.000 ao anatin’ireo distrika misy ireto faritra ireto moa no hahazo ity vatsy raha ny vinavina efa napetraka tany aloha. Tsara ny mampatsiahy fa dia volabe mitentina 35 tapitrisa dolara no natosaky ny banky iraisam-pirenena (banque mondial) ny 10 volana novambra teo hanatanterahana ny tetikasa any amin’ireto faritra ireto. Ny tanjona amin’izy ity moa dia ny mba hanampiana ireo mponina izay heverina fa tena fadiranovana any amin’iny faritra iny ka ny vatsin’ankohonana izay hozaraina dia natao haharitra 18 volana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.