Afaka misitraka vatsim-pianarana tsy miankina mankany ivelany manomboka izao ny tanora Malagasy. Manamora ny fahafahan’izy ireo mangataka izany ny «Fan Education Agency».
Efa nahazo ireo taratasy rehetra fankatoavana mikirakira io sehatra io tamin’ny «Economic Development Board of Madagascar» mantsy ity ivontoerana Malagasy miara-miasa amin’ireo oniversite vahiny miteny anglisy ity. Fepetra goavana takiana amin’ireo mpianatra maniry hanohy fianarana kosa moa ny famenoana an-tsakany sy an-davany ireo masontsivana avy amin’ireo sekoly ambaratonga ambony any ivelany. Tolotra misokatra ho an’ny mpianatra Malagasy amin’ity taona ity, ohatra, ny vatsim-pianarana avy any Aostralia sy Ghana, hoy ny mpitantana voalohany ny ivontoerana Jacky Fanambinana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.