Actualités

Vatsim-pianarana Britanika Miantso ireo Malagasy te handalina ny “Leadership”


  • Talata 25 Septambra 2018

2 taona taorian’ny nitsanganan’ilay fandaharam-pamatsiam-pianarana Britanika “Chevening scholarship”, izany hoe, ny taona 1985 no nanomboka nisitraka ny vatsim-pianarana momba izany koa i Madagasikara.

 

 

 

 Araka ny fanazavan’ireo maintimolaly efa nisitraka azy ity tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo omaly dia fandaharan’ny governemanta Britanika ho an’izao tontolo izao izy io ho an’ireo manana diplaoma lisansa no ho miakatra ka efa niasa 2 taona. Tsy anavahana lalam-piofanana ihany koa fa rehefa te hahazo ny mari-pahaizana masitera dia afaka misoratra anarana ho hatramin’ny 6 novambra izao. Hisy ny hetsika fanazavana hotontosain’ireto maintimolaly na “Chevening alumni” ireto etsy amin’ny Carlton Anosy ny alakamisy izao hanasana ny rehetra. Sarihan’izy ireo koa ireo tia fitarihana na “leadership”. Miisa 70 ireo mpitarika Malagasy efa nivoaka tamin’ity fandaharana ity raha 50.000 kosa izany manerana izao tontolo izao. Herintaona ny faharetan’ny fianarana saingy fepetra takiana amin’ireo nisafidy kosa ny fodian’izy ireo an-tanindrazany mba hanasoa ny fireneny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT