Actualités

Vatovavy-Fitovinany Nihotsaka indray ny tetezan’i Manakarabe


  • Alakamisy 21 Janoary 2016

Nihotsaka indray ny ambin’ny tetezana Manakarabe mampitohy ny tanŕnan’i Manakara amin’ny tanŕna vaovao misy ny biraom-panjakana sy toeram-ponenan’ireo tompon’andraikitra ao aminy ny talata vao maraina lasa teo. Soa fa tsy mbola tamin’ny fotoana nahabe ny olona nifamoivoy no nitrangan’ny loza ka tsy dia nisy ny aina nafoy fa faharatrana vitsivitsy no nisy.

 

  Marihina fa efa tamin’ny 10 septambra 2012 no nihotsaka ny ampahany voalohany tamin’ity tetezana ity,  hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Abel Zafimahatratra,  fa tsy mbola nisy fikarakarana izay mihitsy hatreto na dia efa nangataka matetika an’izany aza ny tenanay. Fanamboarana kely no nataon’ny mponina mba tsy hanofana lafo isan’andro ny lakana hiampitana. Nisy « pont bailey » napetraka ihany mba hiampitan’ny olona fa voatery mihodina alavitra be ny olona rehefa mandray izany. Inoana fa mba ho zary fanairana ho an’ny tompon’andraiki-panjakana mahefa ity trangan-javatra mampalahelo ity, hoy ireo mponina any Manakara.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT