Actualités

Vato karangana Malagasy Hanomboka ny fanondranana atsy La Réunion


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanondranana vato karangana miainga eto Madagasikara mankany amin’ny nosy La Réunion, raha tsy misy ny fiovana.

 

 


 

Mahatratra hatrany amin’ny 221.000 taonina ny filana hanatanterahana ilay tetikasa fanamboarana lalam-baovao manamoron-dranomasina mialoha ny vanim-potoanan’ny orana ao amin’ity nosy rahavavy ity. Milanja 1 alina taonina kosa ny vato karangana hiainga voalohany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hosahanin’ny orinasa Colas izay niomana ny amin’ny fiatrehana izany efa ho herinandro maromaro izay, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny seranan-tsambo Christian Avellin Eddy. Avy amin’ny toerana fitrandraham-baton’ny orinasa vahiny frantsay eto Madagasikara ihany ireo vato karangana haondrana milanja 5 taonina isanisany ireo izay manana taratasim-pifanarahana miaraka amin’ny fahazoan-dalana ara-dalàna avy amin’ny minisiteran’ny Harena ankibon’ny tany.  Tsy afaka mamokatra vato milanja manodidina ny 3 hatramin’ny 6 taonina mantsy ity firenena nosy mpifanolo-bodirindrina amintsika ity. Efa niato hatramin’ny fiatombohan’ny taona moa ny tetikasa fanamboaran-dalana mampitohy an’i Saint-Denis sy La Possession izay mila hatrany amin’ny 18 tapitrisa taonina mahery noho ny olana ara-pamatsiam-bato.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT