Vato nilanja 667 kilao indray no saron’ny zandary teo anivon’ny BPR Vakinankaratra ny alatsinainy 12 novambra lasa teo, tao amin’ny sakana mahazatra tao Anjazafotsy-Betafo.
Fisavana mahazatra no nahitana ireto vato ireto, izay natao tao anaty sobika niisa 5 ary nosaronana manga izany. Bolongany niisa 84 monja moa ireto vato ireto saingy noho izy tsy nisy taratasy sy fahazoan-dalana no nitazonana azy sy ny tompony, izay sady tompon’ny fiara ihany koa, ary dia natolotra ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany ireo vato ireo aloha hatreto. Fa ankoatra ireo vato tratra ireo dia nahatratra hazo sarobidy voamboana na “Palissandre” niisa 16, izay nirefy 1 metra isanisany ihany koa ny zandary teo amin’ny sakana tao Vinanikarena Antsirabe faharoa. Nambaran’ny Adjidà sefo Ratianarivo Barilala, kaomandin’ny BPR Antsirabe fa fisavana mahazatra avokoa no nahatratrarana ireto entana ireto fa tsy loharanom-baovao akory. Efa notanana ao amin’ny zandary moa ireo hazo tratra miandry izay milaza ho tompony satria entana nampitondraina ka saika hotsenaina tany Antananarivo ireo hazo niainga avy any Ambositra ireo.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.