Actualités

Vasiana – Mandoto Zandary iray maty voatifitra teo amin’ny tratrany


  • Alatsinainy 11 Janoary 2016

Mirongatra ny asan-dahalo any amin’ny Distrikan’i Mandoto, faritra Vakinankaratra iny. Zandary iray no namoy ny ainy nandritra ny fanatanterahany ny asany rehefa niasa nandritra ny 13 taona tao amin’ny kaompanian’i Mandoto.

Nitrangana fanafihan-dahalo tao Antevamena, Kaominina Antanambao Ambary – Distrikan’i Mandoto tamin’ny alarobia lasa teo. Omby niisa 80 no very tamin’izany. Nanara-dia ny Fokonolona, nampian’ny zandary dimy lahy.

Nifankatratra tao Imolo, Kaominina Vasiana, amin’ny ilany atsimon’ny Distrikan’i Mandoto, ny an-daniny sy ny an-kilany ny zoma 8 janoary, roa andro taorian’ny nahaverezan’ny omby. Raikitra ny fifandonana, nisy ny fifampitifirana. Tamin’izay no nahavoa ny bala an’i Sefo Elysée, na Rantonirina Elysée fa izay no tena anarany. Niantefa teny amin’ny tratrany ny bala ary io no nitarika ny fahafatesany.

Ny sabotsy 9 janoary, tamin’ny valo ora alina no tonga tao Mandoto ny vatana mangatsiakany. Omaly antoandro no niala tao Mandoto naterina any Ambohimahazo Distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania, tanindrazany, ny razana. Namela mananontena sy kamboty roa mianadahy i Sefo Elysée, manana galona G1C na zandary « 1ère classe » izao lavo am-perinasa izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT