Mampiteraka ahiahy amin’ny mpanjifa ny fiparitahan’ny vary hafahafa izay antsoin’ny olona hoe « vary plastika » eny an-tsena amin’izao fotoana izao.
Nitondra fanazavana kosa ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fa ny vary nafarana rehetra miditra eto Madagasikara dia mandalo fitiliana amin’ny laboratoara avokoa, ka ny voalohany dia ny fitiliana ataon’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana izay mifantoka betsaka amin’ny hoe jifaina sy hoanina sa tsia ny vokatra avy any ivelany iray. Ny faharoa kosa dia ny fitiliana tanterahin’ny sampam-piofanana nasionaly momba ny siantsa ara-nokleary (INSTN) eny amin’ny oniversité Antananarivo, izay mifantoka amin’ny fitiliana ny mety ho fisian’ny fanapoizinana amin’ny alalan’ny taratra radioaktifa. Rehefa azo ny valin’ireo fitiliana ireo ka mahazo fanamarinana amin’izany ny mpanafatra entana vao mahazo fahazoan-dalana hivarotra. Tsy misy vary tsy nandalo fitiliana amidy eny an-tsena ary hatreto dia tsy mbola misy ny tranga nahitana vary plastika, hoy hatrany ny eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana. Ny vary nafarana dia tsy maintsy any amin’ny toeram-panatobiana manokana manana fahazoan-dalana no apetraka ary anaovana fitanana an-tsoratra na “PV de consignation” ka tsy azo hetsehina na amidy raha tsy mivaly ny fitiliana rehetra ary mahazo fahazoan-dalana hivarotra avy amin’ny ministeran’ny varotra sy fanjifana. Miantso ny mpanjifa ho tony noho izany ny tompon’andraikitra. Matoa anefa mivoaka ny resaka ary efa maro no nijoro vavolombelona, dia mety ho marina ny filazan’ny mpanjifa, ka tokony tsy hahatoky tena loatra ny ministera satria tsy kely làlana ny ratsy, ary tsy afaka manome antoka ny fitondram-panjakana fa afaka manara-maso 100% ny entana miditra an-tsokosoko eto madagasikara amin’ny alalan’ny sii-tany an-dranomasina izay tena midadasika tokoa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.