Actualités

Vary mora Ketrika maloton’ny Pakistanais?


  • Talata 19 Martsa 2019

Fantatra izao, fa « brisure » ny 25% n’ilay vary mora nafaran’ny fitondram-panjakana izany hoe misy ampahefany potipotika vary nafarana avy any Karachi Pakistan, dia mitovy amin’ireo vary « stock tampon »

 

 

 

 Pakistanais amidy eny an-tsena somary maintimainty ireny ihany izy io fa tsy vary tsara izany, hoy ny fanehoan-kevitry  ny mahafantatra tsara ny tontolon’ny vary. Tsy hain'ny filoha angamba ny hatsaran'ny vary tao vohidiala izao 5% de brisure sy ireo vary nafarana sasany amidy, toy ny ao Toamasina izay 5% de brisure ihany koa kanefa nafarana avy any Sina, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Aiza ho aiza amin’izany ilay hoe: faran’izay tsara kalitao? Aleo anefa misy an’io toy izay ny tsy misy, ary mety hahavonjy tavanandro rahateo io. Mampametra-panontaniana kosa ny hoe : volam-panjakana sa volan’iza no nividianana izany satria misy ny sary famantaran’ny Repoblikan’i Madagasikara ? Io angamba no mahatonga an'ireo mpandraharaha Pakistanais eto Toamasina tsy mandoa ny “taxe sur les revenus” izay saika mahatratra 500 tapitrisa ariary satria ny iray amin'ireo orinasa mpandefa vary mitsoaka hetra eto Madagasikara ireo ny nanafatra ity vary mitondra ny sainam-pirenena malagasy ity, hoy ny loharanom-baovao iray. Manodidina ny 5 eo ireo mpandraharaha Pakistanais mpandefa vary eto amintsika mitsoaka io “taxe sur les revenus” io, ka tsy hay, hoy io mpanome vaovao io na atao onitra amin’ny fanafarana ny vary amidy mora izany na ahoana. Isaky ny alarobia sy ny sabotsy no mety hamarotana ilay vary isam-pokontany amin'ny vidiny antsa-bidin’ny vary “stock tampon” eny an-tsena, raha tsy misy ny fiovana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT