Actualités

Vary mora Fanompana an-kitsirano ny tantsaha


  • Zoma 08 Martsa 2019

Efa any anaty sambo, hono, ny vary mora hamidy amin’ny vahoaka Malagasy hitsinjovana azy amin’ny fahasahiranana. Tamin’ny 19 desambra i Andry Rajoelina no nilaza izany.

 

 

 

 Hafahafa ihany satria nialoha an’io izany dia efa fantatra fa izy no ho lany filoha satria raha ny sary miparitaka dia misy ny soratra sy ny sary famantaran’ny Repoblikan’i Madagasikara ny lasaka misy ireo vary mora. Miavaka ihany koa ny loko volondoranjy izay lokon’ny antoko TGV sy ny MAPAR, ka tsy hay intsony izy ity na raharahan’antoko na raharaham-panjakana. Antomotra ny fifidianana solombavambahoaka, ka heverina fa amin’ny andro hanaovana ny fampielezan-kevitra no tena hahatongavana sy hamarotana ireo vary mora, izay atao mba hakana ny fom-bahoaka handrotsaka ny vaton’ny kandida tohanan’ilay filoha izay re fa tena miditra an-tsehatra mihitsy amin’ny fifantenana olona ho kandida na mifanohitra amin’ny lalàna aza izany. Ny resaka tsena mora no anisan’ny natao fitaovana tamin’ny fifidianana filoha, fa vao vita izany dia niara-tapitra teo. Mila tonga saina ny vahoaka. Tsy mahasehaka ny valalabemandry izay resaka vary mora, ary tsy vahaolana maharitra sy tena manavotra ny Malagasy. Famotehana ny tantsaha aza no tena misy. "Tsy mila vary mora avy any ivelany izahay fa ny vary gasy sy makalioka vokatra eto an-toerana vidina dia ataovy vary mora amin'ny vahoaka. Aza vonoina ny mpamokatra Malagasy Tompoko", hoy i Bekoto izay mpanakanto sady mpandinika fiarahamonina raha naneho hevitra. Tantsaha ny 80% amin’ny Malagasy, ary ny fitsinjovana azy ireo no tena zava-dehibe, raha tena hanao zavatra ny fanjakana. Bizina ho an’ny olom-bitsy anefa ny fanafarana vary any ampitan-dranomasina io, ary mety misy fifanarahana maloto mihitsy aza ao anatiny. Efa notaterina teto ny fisian’ny vary efa simba sy mety hampidi-doza ampidirina eto amintsika satria ny antsasamanilan’ny vary 320 taonina avy any Pakistan ny volana febroary ohatra, dia efa simba sy tsy azo antoka.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT