Miovaova be ihany ny tsenan’ny voatabia ho an’ireo mpivarotra. Azo ambara ho kely ny vokatra tamin’ity taom-pambolena 2015 ity mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ho an’ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny kaominina Imerintsiatosika.
Efa vanim-potoana fiakaran’ny vokatra izao saingy tsy mbola hita taratra izany ankehitriny, hoy ireo mpivarotra ao amin’ity distrikan’Arivonimamo ity. Andrasana rahateo ny volana novambra izay mahamora ny vidin’ny voatabia, araka ny fanazavan’ireto farany. Manodidina ny 13.000 ariary ny iray kesika amin’ny voatabia ankehitriny ary midina hatrany amin’ny 6.000 ariary izany aorian’ny fitobaky ny vokatra mandritra ny firotsahan’ny orana. Anisan’ny mpamatsy voatabia eto Antananarivo Renivohitra ireo tantsaha mpamokatra ao Imerintsiatosika saingy tsy afaka mifaninana kosa amin’ireo vokatra voatabia lehibe sy tsara kalitao avy any Ambatondrazaka, hoy ihany ny fanampim-panazavana azo teny ifotony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.