Nanambara ny minisitry ny varotra fa hampiasa ny antontan’isa avy amin’ny INSTAT amin’ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena nandritra ny fifanarahana natao teo amin’ny minisiteran’ny varotra,
ny indostria sy ny asa tanana (MICA) miaraka tamin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola omaly teny Anosy. Ankoatra izay dia mpanao asa tanana manodidina ny 200 000 no hahazo karatra maha mpanao asa tanana. Hampiasa ireo antontan’isa avy amin’ny INSTAT ihany koa ny MICA amin’ny fandrindrana ireo mpanao asa tanana malagasy miisa 2 tapitrisa manerana ny Nosy mba hampirisihana azy ireo hiroso tsikelikely eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.