Teny an-tsenan’Anosibe nijery ny fomba fiasan’ny mpivarotra sy nihaino azy ireo ary nanentana amin’ny fanarahan-dalàna ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Henri Rabesahala omaly.
Nandritra ity fidinana ity no nahitana fa olana ny fampiasana faktiora, hany ka sarotra ny mamantatra ny lalana izoran’ny entana amidin’ireo mpivarotra. Tsikaritra ihany koa fa tsy mametraka vidin’entana ny ankamaroan’ireo mpivarotra nefa ny lalàna no manery ny tsy maintsy anehoana izany ankarihary, ka nanentanan’ny minisitra ireo mpivarotra hanitsy ny zavatra ataony, mialoha ny hampiharana ny sazy voatondron’ny lalàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.