Actualités

Varotra sy famonosana baiboly Maina ny tsena nanomboka tamin’ny 2009


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Na dia tsy mitsaha-mitombo aza ireo fiangonana zandriny miorina eto amintsika dia mifanohitra tanteraka amin’izay ny fanjifan’ny olona ny baiboly,

 araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny ivontoerana Aux Arts de reluire etsy Faravohitra. Hatramin’ny nialan’i Dada Ravalomanana teo amin’ny fitondrana no tena  nahamaina ny tsena, zara raha misy  iray isan’andro rehefa tsy misy. Indraindray aza miandry tsena fotsiny mandrapahariva ny andro, hoy Andriamatoa Hary, tompon’andraikitra ao an-toerana. Eo an-danin’izay, tsy mitsaha-mitombo ny vidin’ny akora ampiasaina, indrindra fa ny hoditra. Tsy afaka manondrotra ny vidin’ny baiboly sy ny asa famonosana ireo simba anefa izy ireo ho fitsinjovana ny mpanjifa. Vokany, mbola mijanona ho 6.000 ka hatramin’ny 9.000 Ar ihany hatreto ny mamono baiboly iray miankina amin’ny habeny raha mahatratra 20.000 Ar kosa ny vidiny ho an’ireo mikaomandy ny vita amin’ny hoditra. 40.000 Ar kosa no vidin’ny iray lehibe vaovao. Tsiahivina moa fa efa 56 taona nanaovana ity asa ity ny ivontoerana Aux Arts de reluire etsy Faravohitra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT