Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy misahana ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina etsy Anosy fa misy olona mivarotra rongony eny Ivato tsena.
Nandeha teny an-toerana avy hatrany ny polisy ny alarobia teo ka tratra teo am-pivarotana i Evely, 32 taona tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tratra niaraka taminy ihany koa ny rongony 27 fonosana. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nilazany fa olona sendra mandalo no mamatsy rongony azy ka 300 Ar no ividianany ny iray fonosana ary amidiny 500 Ar avy eo. Nilaza izy fa efa dimy taona no nivarotany rongony ary efa nigadra teny Antanimora telo volana izy ny taona 2012. Marihina moa fa ity vehivavy ity ihany koa no mpamatsy rongony ilay lehilahy 28 taona monina eny Ambatolampy Tsimahafotsy mampitaraina ny maro. Teo am-pivarotana rongony ihany koa izy no tratra ny alarobia teo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy mianadahy ireo.
Pati
Légende : Ity ilay tovolahy mpivarotra rongony nampitaraina ny maro teny Ambatolampy Tsimahafotsy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.