Lehilahy iray efa malaza ratsy amin’ny fivarotana rongony antsoina hoe Solo na Randrianasolo Rolland, 51 taona eny amin’iny faritra Anosipatrana iny no voasambotry ny polisy ny talata 28 oktobra 2014, tamin’ny 1 ora antoandro teo ka tratra tao an-tranony.
Fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nisambotra azy io. Rongony 6kg sy 500g no tratra tao aminy izay voalazany fa novidiany 200.000 ariary tany amin’i Julien izay mpivarotra ambongadiny eny Anosizato, ka tsinjarainy amin’ny fonosana kelikely izay amidiny 1000 ariary ny iray amin’ireo fonosana. Efa nandritra ny roa taona no nanaovany an’io asa fivarotana rongony io. Rehefa nanotaniana izy dia nanoro ny toerana nividianany azy dia tany amin’i Merci Zorovelo Valimbavaka, 16 taona izay nahatrarana rongony 1kg sy 500g tao an-tranony. Tamin’ny famotorana natao an’i Merci no nilazany, fa i Julien no tompon’ny entana fa mivarotra fotsiny ny asany noho ry zareo miara-mipetraka. Marihina moa fa efa nisazy noho ity fivarotana ity ihany i Solo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.