Mpianatra avy ao amin’Anjerimanontolo no mpiketrika ny varotra an-tsokosoko mahadomelina. Lehilahy iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny « STUP » noho io resaka io ny zoma 29 martsa lasa teny Ampefiloha, noho ny vaovao azon’ny polisy.
Tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro, nidina nijery ifotony ny polisy ka tra-tehaka ny tovolahy iray 28 taona mpianatra eny amin’ny oniversite taona faha-4 ao amin’ny sampam-pianarana sôsiôlojia izay nahatrarana «heroïne» milanja 99g mitentim-bidy 9 900 000 Ariary. Nambarany fa teratany Afrikanina iray no fangalany ny entana ary amidiny 100 000 ariary ny iray grama. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanaovany ity asa fivarotana mahadomelina ity fa izao izy vao tratra. Olona efatra hafa koa no voasambotry ny polisin’ny STUP ka ny iray mpianatra lalàna eny Ankatso, ny 26 martsa noho ny mahadomelina hatrany, teny Ambohimanarina izay mampirongatra ny hala-botry sy ny fangaronam-paosy ny fiparitahan’ireo rongony ireo. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny STUP tamin’ny talata heriny tamin’ny 6 ora maraina ka lehilahy 2 no voasambotra avy nividy rongony ka ny 1 nahatrarana rongony fonosana 8 milanja 1 Kg sy 100g ary ny iray hafa kosa 2 fonosana lehibe. Lehilahy mipetraka eny Anosivavaka Ambohimanarina no nividianany izany, araka ny fanadihadiana. Ny alarobia tamin’ny 6 ora sy sasany, nidina ifotony ny polisy ka tra-tehaka tao an-tranony ny lehilahy roa izay mbola mpianatra eny amin’ny oniveriste taona fahatelo amin’ny sampana lalàna ny iray ary lehilahy tsy an’asa ny iray. Rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana rongony 11kg 100g. Lehilahy avy any Androy no fangalany ny rongony izay vidiny 120 000 Ariary ny 1 gony ary amboariny anaty fonosana kosa izany avy eo ka hamidin’izy ireo 2 000 Ar ny fonosana kely. Raha ny nambarany de efa ho 6 volana teo ho eo ny namarotany ireo rongony ireo ary maro ny olona manjifa izany. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny alarobia izy efadahy ireto.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.