Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa etsy Ambohijatovo fa hoe misy mpivarotra sy mpifoka rongony eny Soanierana sy Ankaditoho. Ny alarobia maraina tamin’ny 7 ora dia nidina nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny polisy
. Olona dimy avy hatrany no voasambotra tamin’izany ka vehivavy ny iray. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny fonosan-drongony miisa 317. Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nilazany fa olona mandalo no nividianany ireo rongony ireo ka 300 Ar ny iray fonosana ary amidiny 500 Ar sy 1 000 Ar izany arakaraka ny habeny. Andrianandrasana Jacklin, 16 taona, mpivarotra rongony sy i Andrianandrasana Jean Jacques, 55 taona rainy ary Ravaonandrianina Haja Jeanette, 43 taona reniny, dia samy monina etsy Soanierana. Moustapha Amed, 17 taona monina any Ankaditoho mpivarotra sady mpifoka rongony Rakotonirina Lovasoa Fidèle, 26 taona monina eny amin’ny Paraky, mpivarotra sy mpifoka rongony. Efa eny am-pelatanan’ny fitsarana moa ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.