Actualités

Varotra fiara amin’ny Facebook Tra-tehaka ny mpisoloky 38 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 18 Martsa 2019

Teny Ambohitsoa no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny sampana ady amin’ny heloka bevava ny mpisoloky iray izay mpivarotra fiara anaty tambazotra sosialy (Facebook). Efa ela no nikarohana azy ka nyalarobia 13 martsa teo izy vao voasambotra teny amin’ny trano fonenany. 38 000 000 ariary, io no vola efa noraisiny tamin’ny alalan’ny filazana fa mivarotra fiara lehibe vita Alemaina avy any iray

 

marika“Crafter” izy ka naharoboka mpividy iray. Araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena,

raikitra 45 tapitrisa ilay fiara, noho ny halaviran-toeran’ny mpividy anefa dia efa azony ny

vodiondrim-barotra fa 7 tapitrisa sisa alohan’ny mpividy amin’ny fotoana handraisana ny entam-

barotra. Tamin’ny ora nifanomezana hanaterana ny vola ambiny sy hijerena mivantana ilay fiara ka

itondrana izany mody anefa nanjavona ilay mpivarotra ka vasoka teo ilay mpividy. Nametraka

fitoriana avy hatrany ity farany ka nanomboka teo ny famotorana sy ny fitsirihana nataon’ny

mpitandro filaminana. Tratra tao amin’ny adiresy misy ny tranony izay nanoratany ny laharana

findainy nanaovany “facebook” ity olon-dratsy ity. Nandritra ny famotorana, niaiky ny heloka vitany

izy ary nilaza fa tsy misy akory ilay fiara lazainy fa hamidy. Natolotra ny fampanoavana ny asabotsy 16

marsa teo ny raharaha. Maro ireo voafitaky ny filazana famarotana amin’ny tambazotran-tserasera

ka ireo varotra nomerika izay mitombina no lasibatr’izany. Any amin’ny tany mandroso mantsy efa

miaraka amin’ny doka ny fanomezan-dalana manokana nomena azy ireny, araraotin’ny mpanao ratsy

maro io gaboraraka amin’ny sereseran’ny tambazotram-piarahamonina io. Tsy vitsy koa ireo tsy

manadihady fa roboka avy hatrany mahita ny hamoran’ny sera.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT