Actualités

Varotra fanafody tsy ara-dalŕna Hofongorina amin’ny fomba mihaja


  • Alakamisy 27 Oktobra 2016

Tena mampiaiky ny maro tokoa ny firongatry ny varotra fanafody tsy ara-dalŕna eto amintsika.

Anisan’ny toerana mbola ahitana izany  betsaka ny eny  Ambohipo  izay marihina fa efa toy ny kilalaon’ireo mpivarotra mihitsy satria izy ireo indray no manontany ny mpividy. Hiara-kiasa hiady amin’izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny orinasa Salama izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany. Amin’ny fomba mihaja  no hamongoran’izy ireo izany  raha araka ny fanazavana azo omaly. Anisan’ireny ny  fanaparitahana ny fanafody génerique izay vokarin’ny orinasa Salama, karazana fanafody  izay latsaka kely foana amin’ny fanafody manokana ny kalitaony nefa zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro. Efa ny 90%-n’ny tobim-pitsaboana CSB II mantsy ankehitriny no mampiasa io fanafody génerique io, 60 % ny hopitaly lehibe.  Ezahina haparitaka any amin’ny hopitaly lehibe rehetra sy ny faritra saro-dalana manerana ny Nosy ny fanafody generique  mba hahafahana manafoana ny varotra fanafody tsy ara-dalàna.  Nandritra ilay varavarana misokatra notanterahina tetsy Anosy nanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny orinasa Salama no nahafantarana izany omaly. Tsiahivina moa fa ity orinasa ity no hany orinasa faharoa nahazo ilay ISO aty amin’ny faritr’i Afrika tamin’ny resaka famokarana fanafody.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT