Herinandro teo ho eo izay no vaky tanteraka indray ny kariera fitrandrahana safira any amin’ny toerana antsoina hoe Bemainty, fokontany Antsevabe any amin’ny Kaominina Didy Ambatondrazaka.
Tsy eo an-tanàna no misy io kariera io fa mbola miditra any anaty ala ka 15000Ar ny saran-dalana izay tsy maintsy “moto” no ampiasaina na mandeha an-tongotra. Vokatr’zany dia feno olona toy ireny andro foara ireny ao amin’ny fokontanin’Antsevabe. Efa mihaodihaody mameno ny tanàna ihany koa ireo Sri Lankais mpividy vato ka ny sabotsy lasa teo dia fiara tsy mataho-dalana tsy latsaky ny 20 no niditra tany an-toerana. Manjaka ny bizina isan-karazany noho ity fisian’ny safiran’i Bemainty ity. Tsy hay na misy ifandraisany amin’ny fisian’ny safira na fifanandrifian-javatra fa lasa mirongatra ny asan-jiolahy any amin’ireo toerana manodidina taorian’ny fahavakisan’ny kariera. Mirohotra mankany amin’ny kariera ny ankamaroan’ny lehilahy ka mety ho izay no hanararaotan’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny. Ny sabotsy alina teo, ohatra, dia notafihin’ny dahalo miisa 9 ny tanàna kely iray antsoina hoe Ambohitavolo ka olona miisa 4 no naratra mafy voakapan’ny sabatra. Nifanindran-dalana tamin’io ihany koa ny fanafihana tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antanifotsy, ka nodoran’ireo tsy mataho-tody ny tranon’olona. Tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ilay toeram-pitrandrahana safira ary efa manomboka manala ireo olona ny fanjakana. Ao anatin’ny tapa-bolana dia tokony ho afaka tanteraka ireo mpitrandraka sy ireo mpibizina, raha ny vaovao azo. Tsy dia misy fiantraikany amin’ny fampandrosoana ny toerana misy ireny harena ankibon’ny tany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna fa ireo mpibizina no migoka tombontsoa. Mbola mila jerena akaiky ihany koa ny resaka fitrandrahana harena ankibon’ny tany satria na ny lalàna aza tsy mbola mipetraka sy maha be adihevitra.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.